Mifalia Isika E - Akaiky ny Tompo 1 by Nicolas

SongGPT
Mifalia Isika E - Akaiky ny Tompo 1 by Nicolas - Chorale music cover art

Mifalia Isika E - Akaiky ny Tompo 1

Nicolas

Chorale

0:004:22
Lyrics
Description
Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo
Nambininao, ry Tompo ô, ny tany maminao:
'Reo babon'i Jakoba dia nampodianao
Nanota ny olona, nefa navelanao:
Ny heloka nataony nosaronanao tanteraka.
Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo
Ny hatezeranao narianao lavitra:
Ilay Fonao sendaotra efa tony dia tony.
Ampodio izahay e, ry Tompo vonjinay:
Atsaharo amin'izay ny hatezeranao.
Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo
Dia ho mandrakizay ve no ho vinitra Ianao?
Handavantaona koa ve ny hetezeranao?
Fa moa tsy Ianao ve no hanome ny aina e:
Ka ny vahoakanao ho faly aminao?
Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo
Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao
Ary mba omeo anay ny vonjy avy aminao
Hampandry sofina aho, fa niteny ny Tompo:
Ny hany lazainy dia ny fiadanana.
Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo
Kely sisa, dia hovonjeny izay matahotra azy:
Ka ny voninahiny hitoetra eto an-tany.
Ilay fitia tsy mamadika dia indro fa tonga;
Fihavanana sy rariny indro hifandray tanana.
Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo
Hitsimoka amin'ny tany ny fahamarinana,
Ny rariny sy ny hitsiny hidina avy any an-danitra
Voninahitra sy dera ho an'ny Ray sy ny Zanaka,
Ho an'ny Fanahy Masina voninahitra sy dera.
Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo
Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo