FANEVA FAHA 50 TAONA ARTA 2 by Nicolas

SongGPT
FANEVA FAHA 50 TAONA ARTA 2 by Nicolas - Gospel music cover art

FANEVA FAHA 50 TAONA ARTA 2

Nicolas

Gospel

0:003:49
Lyrics
Description

[Verse 1] Noho ny famindram-ponao ry Ray Dia mbola mijoro eto amin'ny fiangonanao, Ny AKON'NY RAOZERY hitory ny evanjely Hanohy ny asan-janakao [Chorus] Ataovy sy tanteraho (hoy i Maria) Izay rehetra holazainy anareo, Masina Maria indro ny zanakao Matoky hatrany ny fitiavanao Tantano sy herezo hanohy ny dia Hanangona indray ireo ondry izay nania [Verse 2] Natopan'ny onja sy rivo-mifofo, Tsy rendrika akory fa nitoky tamin'ny Tompo, Nalofan'ny Fanahy sy Masina Maria, K'afa-manohy hatrany ny dia [Chorus] Ataovy sy tanteraho (hoy i Maria) Izay rehetra holazainy anareo, Masina Maria indro ny zanakao Matoky hatrany ny fitiavanao Tantano sy herezo hanohy ny dia Hanangona indray ireo ondry izay nania [Verse 3] Koa isaoranay ianao ry Ray, Nitahy hatrany ity Fikambananay Dimy ambi-efampolo taona izay, No nijoroany nanao ny sitrakao. [Chorus] Ataovy sy tanteraho (hoy i Maria) Izay rehetra holazainy anareo, Masina Maria indro ny zanakao Matoky hatrany ny fitiavanao Tantano sy herezo hanohy ny dia Hanangona indray ireo ondry izay nania [Outro] Masina Maria mpanjakan'ny Raozery Mivavaha hoanay mba ho modely Masindahy Joseph Ray mpiaro anay Mivavaha, arovy izahay Masimbavy Cécile Zokinay Mivavaha ho anay.