Amindrao Fo Aho 2 by Nicolas

SongGPT
Amindrao Fo Aho 2 by Nicolas - Chorale music cover art

Amindrao Fo Aho 2

Nicolas

Chorale

0:004:09
Lyrics
Description

[Verse 1] Ifonako aminao zanahary, Raha nataoko jiaby tsy manjary Ka nahatonga ahy ho toy izao Mitalaho re ka mba avelao [Chorus] Amindrao fo aho ry Tompo Fa ny hadalana rehetra efa nafoiko Tsy hamerina intsony ny fahiny Fa hanjohy iny lalanao iny [Verse 2] Mibaboka aho re ka mivalo Fa ankehitriny aho efa mahatsiaro, Diso lalana aho ka nania Ka indro mitalaho aminao sy milelam-paladia [Chorus] Amindrao fo aho ry Tompo Fa ny hadalana rehetra efa nafoiko Tsy hamerina intsony ny fahiny Fa hanjohy iny lalanao iny [Bridge] Izay mino sy mitandrina ny didinao Dia tsy mba hivily amin'ny lalanao Tsy ho tafitohina na hosolafaka Olomarina sy olona afaka [Chorus] Amindrao fo aho ry Tompo Fa ny fankahalana efa nosoloiko Fitiavana no mameno ity foko Ka raiso ny fifonako Tompo [Verse 3] Ianao ry Tompo no hery Mitantana anay tsy ho very Anao ry Jesoa ny fahefana Ahazoako ny fanantenana [Chorus] Amindrao fo aho ry Tompo Fa ny fankahalana efa nosoloiko Fitiavana no mameno ity foko Ka raiso ny fifonako Tompo [Outro] Amindrao fo aho ry Tompo Fa ny fankahalana efa nosoloiko Fitiavana no mameno ity foko Ka raiso ny fifonako Tompo